يَا خَلِقَا الْأَكْوَانْ بِا لْلُّطْفِ عَامِلْنِي
Ry Mpahary izao rehetra izao, itondray amim-pahalemem-panahy aho.
Mg
يَا خَلِقَا الْأَكْوَانْ
بِا لْلُّطْفِ عَامِلْنِي
Ry Mpahary izao rehetra izao
tsimbino amin'ny hatsaram-ponao aho
مَا لِيْ عَمَلْ يُرْضِيْكْ
أَنْتَ الْغَنِيْ عَنِّي
Tsy manana asa mahafaly Anao aho
ary Ianao no Ilay manan-karena tsy mila ahy
يَا وَاهِبَ الْإِحْسَانْ
تَقْوَاكَ أَلْهِمْنِي
Ry Mpahafoy ny soa
tsindrio amin'ny fahatahorana Anao ny foko
قَدْ خَابَ الَّذِيْ يَعْصِيْكْ
سُبْحَانَكَ ارْحَمْنِي
Very tokoa izay mikomy Aminao
Voninahitra ho Anao, mamindrà fo amiko
يَا خَلِقَا الْأَكْوَانْ
بِا لْلُّطْفِ عَامِلْنِي
Ry Mpahary izao rehetra izao
tsimbino amin'ny hatsaram-ponao aho
مَا لِيْ عَمَلْ يُرْضِيْكْ
أَنْتَ الْغَنِيْ عَنِّي
Tsy manana asa mahafaly Anao aho
ary Ianao no Ilay manan-karena tsy mila ahy
بِمَنْ حَوَى الأَنْوَارْ
وَالْفَضْلَ وَالأَسْرَارْ
Noho ilay nampitambatra ny hazavana
sy ny fahasoavana ary ny tsiambaratelo
أَحْمَدْ ضِيَا الأَبْصَارْ
مَنْ مَدْحُهُ فَنِِّي
Ahmad, ilay fahazavan'ny maso
ny fiderana azy no kanton'ny fiainako
يَا خَلِقَا الْأَكْوَانْ
بِا لْلُّطْفِ عَامِلْنِي
Ry Mpahary izao rehetra izao
tsimbino amin'ny hatsaram-ponao aho
مَا لِيْ عَمَلْ يُرْضِيْكْ
أَنْتَ الْغَنِيْ عَنِّي
Tsy manana asa mahafaly Anao aho
ary Ianao no Ilay manan-karena tsy mila ahy
يَا رَبُّ يَا رَحْمَنُ
صَلِّ يَا ذَا المَنِّ
Ry Tompo, Ry be fiantrana
handrotsahy fitahiana, Ry Mpanao soa be indrindra
عَالْرُّوحِ فِي الأَبْدَانْ
وَالْنُّورِ فِي العَيْنِ
Ho an'ny fanahy ao anatin'ny vatana
sy ny hazavana ao anatin'ny maso
يَا خَلِقَا الْأَكْوَانْ
بِا لْلُّطْفِ عَامِلْنِي
Ry Mpahary izao rehetra izao
tsimbino amin'ny hatsaram-ponao aho
مَا لِيْ عَمَلْ يُرْضِيْكْ
أَنْتَ الْغَنِيْ عَنِّي
Tsy manana asa mahafaly Anao aho
ary Ianao no Ilay manan-karena tsy mila ahy
مَا شَعْشَعَتْ أَنْوَارْ
مِنْ رَوْضَةِ الْمُخْتَارْ
Raha mbola mibaliaka ny hazavana
avy amin'ny sahan'Ilay Voafidy
وَغَرَّدَتْ أَطْيَارْ
تَشْدُو عَلَى الغُصْنِ
Ary raha mbola mikalo ny vorona
mihira eny ambonin'ny rantsankazo