لَمْ يَخْلُقِ الرَّحْمَنُ مِثْلَ مُحَمَّدٍ
Tsy nahary tahaka an'i Muhammad Ilay Be Famindram-po
Mg
لَمْ يَخْلُقِ الرَّحْمَنُ مِثْلَ مُحَمَّدٍ
بَيْنَ الْوَرَى بَشَراً عَلَى الْإِطْلَاقِ
Tsy nisy noforonin’ilay Be Famindram-po tahaka an’i Mohamady
Teo amin’ny zanak’olombelona rehetra mihitsy
كَلَّا وَلَا عَرَفَ الْخَلَائِقُ قَدْرَهُ
مَا فَوْقَهُ حَقّاً سِوَى الْخَلَّاقِ
Tsia, tsy mbola nisy zavaboary nahatakatra ny lanjany
Fa tsy misy amboniny marina afa-tsy ny Mpahary
مَاذَا أَقُولُ بِوَصْفِهِ وَمَدِيحِهِ
وَسَنَاهُ دَوْماً بَاهِرُ الْإِشْرَاقِ
Inona no azoko lazaina hamaritana sy hiderana azy
Fa ny famirapiratany dia mampitolagaga mandrakariva
وَهُوَ الَّذِي لِلْخَلْقِ أُرْسِلَ رَحْمَةً
وَأَتَى يُتَمِّمُ مَكَارِمَ الْأَخْلَاقِ
Izy no ilay nirahina ho famindram-po ho an’ny voary
Ary tonga mba hanatanteraka ny hatsaram-panahy fara-tampony