فَيَا نَفَحَاتِ اللهِ يَا عَطَفَاتِهِ
O Divine Breaths of Allah, O His Affections
Mg
فَيَا نَفَحَاتِ اللهِ يَا عَطَفَاتِهِ
وَيَا جَذَبَاتِ الْحَقِّ جُودِي بِزَوْرَةِ
Ry fofona masin'Andriamanitra, ry fanehoam-pitiavany
Ry sinton'ny Fahamarinana, omeo fitsidihana izahay
وَيَا نَظَرَاتِ اللّهِ يَا لَحَظَاتِهِ
وَيَا نَسَمَاتِ اللُّطْفِ أُمِّى بِهَبَّةِ
Ry fijerin'Andriamanitra, ry fitsinjovany masina
Ry tsiokan'ny fahalemem-panahy, tongava mitondra fahasoavana
وَيَا غَارَةَ الرَّحْمَانِ جُدِّىْ بِسُرْعَةِ
إِلَيْنَا وَحُلِّى عَقْدَ كُلِّ مُلِمَّةِ
Ry famonjen'ilay Be Famindram-po, tongava haingana
Atỳ aminay, ary vahao ny fatotry ny fahoriana rehetra
وَيَا رَحْمَةَ الرَّبِّ الرَّحِيْمِ تَوَجَّهِىْ
وَأَحْيِىْ بِرُوْحِ الفَضْلِ كُلَّ رَمِيْمَةِ
Ry famindram-pon'ny Tompo be fiantrana, mitodiha
Ary velomy amin'ny fanahin'ny fahasoavana ny zava-drehetra efa lo
وَيَاكُلَّ أَبْوَابِ الْقَبُولِ تَفَتَّحِىْ
فَإِنَّ مَطَايَا الْقَصْدِ نَحْوَكَ أَمَّتِ
Ry varavaran'ny fankatoavana rehetra, mivahala
Fa ny fanirian'ny fo dia efa miantefa any aminao
وَيَاسُحُبَ الْجُوْدِ الْإِلَهِيِّ أَمْطِرِىْ
فَإِنَّ أَكُفَّ الْمَحْلِ تِلْقَاكِ مُدَّتِ
Ry rahon'ny fahalalahan-tanan'Andriamanitra, milatsaha
Fa ny tanan'ny haintany dia mitsotra miandry anao
بِحُرْمَةِ هَادِيْنَا وَمُحْيِيْ قُلُوْبِنَا
وَمُرْشِدِنَا نَهْجَ الطَّرِيْقِ الْقَوِيْمَةِ
Noho ny voninahitr'ilay mpitari-dalana sy mamelona ny fonay
Ary mpanoro anay ny lalana mahitsy sy marina
دَعَانَا إِلَى حَقٍّ بِحَقٍّ مُنَزَّلٍ
عَلَيْهِ مِنَ الرَّحْمَانِ أَفْضَلَ دَعْوَةِ
Niantso antsika ho amin'ny fahamarinana izy tamin'ny fahamarinana nambara
Taminy avy amin'ilay Be Famindram-po, dia antso tsara indrindra
أَجَبْنَا قَبِلْنَا مُذْعِنِيْنَ لِأَمْرِهِ
سَمِعْنَا أَطَعْنَا عَنْ هُدىً وَبَصِيْرَةِ
Namaly izahay, nanaiky ary nilefitra tamin'ny didiny
Nandre sy nankatò izahay tamim-pahazavana sy fahamalinana
فَيَارَبِّ ثَبِّتْنَا عَلَى الْحَقِّ وَالْهُدَى
وَيَارَبِّ اِقْبِضْنَا عَلَى خَيْرِ مِلَّةِ
Ry Tompo ô, mampahareta anay amin'ny fahamarinana sy ny tari-dalana
Ary ry Tompo ô, ampanjariho amin'ny finoana tsara indrindra ny fiafaranay
وَعُمَّ أُصُوْلاً وَالْفُرُوْعَ بِرَحْمَةٍ
وَأَهْلاً وَأَصْحَاباً وَكُلَّ قَرَابَةِ
Ary akambano amin'ny famindram-ponao ny ray aman-dreny sy ny taranaka
Sy ny fianakaviana, ny namana ary ny havana rehetra
وَسَائِرِ أَهْلِ الدِّيْنِ مِنْ كُلِّ مُسْلِمٍ
أَقَامَ لَكَ التَّوْحِيْدَ مِنْ غَيْرِ رِيْبَةِ
Ary ny mpino rehetra eo amin'ny silamo
Izay nankato ny maha-tokana Anao tsy misy fisalasalana
وَصَلِّ وَسَلِّمْ دَائِمَ الدَّهْرِ سَرْمَداً
عَلَى خَيْرِ مَبْعُوْثٍ إِلَى خَيْرِ أُمَّةِ
Ary dindony fitahiana sy fiadanana mandrakizay
Ilay tsara indrindra nirahina ho an'ny vahoaka tsara indrindra
مُحَمَّدٍ الْمَخْصُوْصِ مِنْكَ بِفَضْلِكَ
الْعَظِيْمِ وَإِنْزَالِ الْكِتَابِ وَحِكْمَةِ
Dia i Muhammad, izay nofidinao manokana tamin'ny fahasoavanao
Lehibe, sy ny fampidinana ny Boky ary ny fahendrena