عَطْفَةً يَا جِيرَةَ ٱلْعَلَمِ
Fijery feno famindram-po, ry mpiray monina amin'ny Toerana Masina
Mg
عَطْفَةً يَا جِيرَةَ ٱلْعَلَمِ
يَا أُهَيْلَ ٱلْجُودِ وَٱلْكَرَمِ
Tsinjo feno fitia, ry mpiara-belona amin'ny fitoerana masina
Ry vahoaka manana ny fahalalahan-tanana sy ny fahamendrehana
نَحْنُ جِيرَانٌ بِذَا ٱلْحَرَمِ
حَرَمِ ٱلْإِحْسَانِ وَٱلْحَسَنِ
Mpifanila bodirindrina amin'ity toerana masina ity izahay
Toerana masin'ny fahasoavana sy ny hatsaram-panahy
نَحْنُ مِنْ قَوْمٍ بِهِ سَكَنُوا
وَبِهِ مِنْ خَوْفِهِمْ أَمِنُوا
Avy amin'ny vahoaka nonina tao izahay
Ary tao no nahitany filaminana tamin'ny tahony
وَبِآيَاتِ ٱلْقُرَانِ عُنُوا
فَٱتَّئِدْ فِينَا أَخَا ٱلْوَهَنِ
Ary nanokan-tena ho an'ny andinin'ny Korany izy ireo
Koa malemena fanahy aminay, ry rahalahin'ny fahalemena
نَعْرِفُ الْبَطْحَا وَتَعْرِفُنَا
وَالصَّفَا وَالْبَيْتُ يَأْلَفُنَا
Fantatray ny lohasaha Batha ary mahafantatra anay izy
Ary ny Safa sy ny Trano Masina dia zatra anay
وَلَنَا الْمُعْلَا وَخَيْفُ مِنَى
فَاعْلَمَنْ هَذَا وَكُنْ وَكُنِ
Ary anay koa ny Mu'alla sy i Khaif any Mina
Koa fantaro izany amin'ny fahamarinana tanteraka
وَلَنَا خَيْرُ الْأَنَامِ أَبُ
وَعَلِيُّ الْمُرْتَضَى حَسَبُ
Razambenay ny tsara indrindra amin'ny voary
Ary i Ali al-Murtada no taranaka ambony anananay
وَإِلَى السِّبْطَيْنِ نَنْتَسِبُ
نَسَبًا مَا فِيهِ مِنْ دَخَنِ
Ary amin'ireo zafikely roa no itohizan'ny taranakay
Taranaka madio tsy misy pentina na fahalotoana
كَمْ إِمَامٍ بَعْدَهُ خَلَفُوا
مِنْهُ سَادَاتٌ بِذَا عُرِفُوا
Firy ireo mpitarika nifandimby taoriany
Mpitarika ambony, fantatra amin'izany lazany izany
وَبِهَذَا الْوَصْفِ قَدْ وُصِفُوا
مِنْ قَدِيمِ الدَّهْرِ وَالزَّمَنِ
Ary tamin'izany toetra izany no namariparitana azy ireo
Hatramin'ny taloha ka mandraka ankehitriny
مِثْلِ زَيْنِ الْعَابِدِينَ عَلِي
وَابْنِهِ الْبَاقِرِ خَيْرِ وَلِي
Tahaka an'i Ali Zayn al-Abidin
Sy ny zanany al-Baqir, ny tsara indrindra amin'ny Olomasina
وَالْإِمَامِ الصَّادِقِ الْحَفِلِ
وَعَلِيٍّ ذِي الْعُلَا الْيَقِنِ
Ary ny Imany al-Sadiq, manana toetra mendrika hoderaina
Sy i Ali, ilay manana ny fahamboniana sy ny faharesen-dahatra
فَهُمُ الْقَوْمُ الَّذِينَ هُدُوْا
وَبِفَضْلِ اللهِ قَدْ سَعِدُوا
Izy ireo no vahoaka nahazo ny fitarihana marina
Ary tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra no nahitany fahasambarana
وَلِغَيْرِ اللهِ مَا قَصَدُوا
وَمَعَ الْقُرْآنِ فِي قَرَنِ
Tsy nisy hafa nokendreny afa-tsy Andriamanitra
Ary tsy nisaraka tamin'ny Korany mihitsy izy ireo
أَهْلُ بَيْتِ الْمُصْطَفَى الطُّهْرِ
هُمْ أَمَانُ الْأَرْضِ فَادَّكِرِ
Ny fianakaviana madion'ny Mpaminany Voafidy
Izy ireo no fiarovana ny tany, tsarovy izany
شُبِّهُوا بِالْأَنْجُمِ الزُّهْرِ
مِثْلَ مَا قَدْ جَاءَ فِي السُّنَنِ
Ampitahaina amin'ireo kintana mamirapiratra izy ireo
Tahaka izay voalaza ao amin'ireo fomban'ny Mpaminany
وسَفِنٌ لِلنَّجَاةِ إِذَا
خِفْتَ مِنْ طُوفَانِ كُلِّ أَذَى
Ary sambo mpamonjy izy ireo
Rehefa matahotra ny tondra-drano misy loza ianao
فَانْجُ فِيهَا لَا تَكُونُ كَذَا
وَاعْتَصِمْ بِاللهِ وَاسْتَعِنِ
Mialokalofa ao aminy, aza mihodina
Ary mifikira amin'Andriamanitra ary mangataha fanampiana Aminy
رَبِّ فَانْفَعْنَا بِبَرْكَتِهِمْ
وَاهْدِنَا الحُسْنَى بِحُرْمَتِهِمْ
Tompo ô, omeo tombontsoa izahay amin'ny alalan'ny fitahian'izy ireo
Ary tariho amin'ny soa izahay noho ny fahamasinan'izy ireo
وَأَمِتْنَا فِي طَرِيقَتِهِمْ
وَمُعَافَاةٍ مِنَ الفِتَنِ
Ary ataovy maty eo amin'ny lalan'izy ireo izahay
Sady voaaro sy voavonjy amin'ny fizahan-toetra
ثُمَّ لَا تَغْتَرَّ بِالنَّسَبِ
لَا وَلَا تَقْنَعْ بِــكَانَ أَبِي
Avy eo, aza mety hofitahina amin'ny firazananao
Ary aza mionona fotsiny amin'ny hoe "ny rako taloha"
وَاتَّبِعْ فِي الهَدْيِ خَيْرَ نَبِي
أَحْمَدَ الهَادِي إِلَى السُّنَنِ
Fa araho amin'ny fitarihana ny tsara indrindra amin'ireo Mpaminany
Ahmad, ilay mpitari-dalana mankany amin'ny lalan'ny Mpaminany
فَهُوَ خَتْمٌ لِلنَّبِيِّينَا
وَإِمَامٌ لِلْمُطِيعِينَا
Satria izy no tombo-kasen'ireo Mpaminany
Ary mpitarika ho an'ireo mpankatò
وَلِساَنٌ لِلْمُجِيبِينَا
يَوْمَ نُودُوا خَيْرَ مُؤْتَمَنِ
Ary mpitondra teny ho an'ireo mpanompo mpankatò
Amin'ny andro hantsoana azy ireo, ilay azo itokisana indrindra
صَلَوَاتُ اللهِ ذِي الكَرَمِ
تَتَغَشَّى المُصْطَفَى العَلَمِ
Ny tso-dranon'Andriamanitra, ilay Tompon'ny fahalalahan-tanana
Anie hanarona ilay Voafidy, ny saina lehiben'ny fitarihana
مَا سَرَى رَكْبٌ إِلَى الحَرَمِ
وَصَبَا صَبٌّ إِلَى سَكَنِ
Raha mbola misy andian-dia mankany amin'ny toerana masina
Ary raha mbola misy mpifankatia maniry ny fonenany
وَعَلَى آلِ النَّبِيِّ الكُرَمَا
وَعَلَى أَصْحَابِهِ العُلَمَا
Ary koa ho an'ny fianakavian'ny Mpaminany be voninahitra
Sy ho an'ireo mpiara-dia aminy manam-pahalalana
وَعَلَى أَتْبَاعِهِ الحُكَمَا
وَأُولِي الأَلْبَابِ وَالفِطَنِ
Sy ho an'ireo mpanaradia azy hendry
Ary ho an'ireo manan-tsaina sy fahaiza-manavaka lalina