أَنَا مَالِي فِيَّاشْ
Inona moa no ahy?
Mg
اللَّهُمَّ صَلِّ عَلَى الْمُصْطَفَى
حَبِيبِنَا مُحَمَّد عَلَيْهِ السَّلَام
Ry Allah ô, rosoy vavaka ilay Voafidy
Ny malalantsika Muhammad, ho aminy anie ny fiadanana
أَنَا مَالِي فِيَّاشْ آشْ عَلَيَّا مِنِّي
نَقْلَقْ مِنْ رِزْقِي لَاشْ وَالْخَالِقْ يَرْزُقْنِي
Inona no heriko amin’ny zavatra rehetra? Inona no azoko atao ho an’ny tenako?
Nahoana aho no hanahy ny amin’ny fivelomako, nefa ny Mpahary no mamelona ahy?
أَنَا عَبْدُ رَبٍّ لَهُ قُدْرَةٌ
يَهُونُ بِهَا كُلُّ أَمْرٍ عَسِير
Mpanompon’ny Tompo manana ny fahefana aho
Izay mahatonga ny raharaha sarotra rehetra ho mora
فَإِنْ كُنْتُ عَبْدًا ضَعِيفَ الْقُوَّةِ
فَرَبِّي عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِير
Koa na dia mpanompo osa aza ny heriko
Ny Tompoko kosa dia Tsitoha amin’ny zava-drehetra
مِنِّي آشْ عَلَيَّ وَنَا عَبْدٌ مَمْلُوكْ
وَالْأَشْيَاءْ مَقْضِيَّا مَا فِي التَّحْقِيقْ شُكُوكْ
Inona no azoko atao ho an’ny tenako nefa mpanompo voafehy aho?
Efa voatendry ny zavatra rehetra, ary tsy misy fisalasalana ny amin’izany
الْمَدَد الْمَدَد أَيَا رَسُولَ الله
وَاسْقِينَا بِالْمَدَد أَيَا حَبِيبَ الله
Vonjy, vonjy, ry Irak’i Allah
Ary ampisotroy ny vonjinao izahay, ry Malalan’i Allah
رَبِّي نَاظِرْ فِيَّا وَنَا نَظَرِي مَتْرُوكْ
فِي الْأَرْحَامْ وَالْأَحْشَا مِنْ نُطْفَةٍ صَوَّرْنِي
Ny Tompoko no mitsinjo ahy fa ny fijeriko dia tsinontsinona
Tao an-kibo sy tsinay, tamin’ny rano indray mitete no namolavolany ahy
يَقُولُ لِمَا شَاءَ كُنْ فَيَكُونُ وَيُبْدِعُ سُبْحَانَهُ وَيُعِيد
وَيَحْكُمُ فِي خَلْقِهِ مَا يَشَاءُ وَيَفْعَلُ فِي مُلْكِهِ مَا يُرِيد
Miteny amin’izay tiany Izy hoe “Misia” dia misy izany, mampisy sy mamerina Izy, Voninahitra ho Azy
Mandahatra araka izay tiany amin’ny voariny Izy, ary manao izay sitrapony ao amin’ny fanjakany