يَا وَاهِبَ الْإِنْسَانِ أَسْبَابَ الْهُدَى
Ry Mpanome ny olombelona ny fitaovam-pitarihan-dalana
Mg
يَا وَاهِبَ الْإِنْسَانِ أَسْبَابَ الْهُدَى
يَا مَنْ بِحَمْدِ الْعَالَمِينَ تَفَرَّدَا
Ry Mpanome ny olombelona ny fitaovan’ny fitarihana
Ry Ianao izay hany mendrika ny fideran’izao tontolo izao
لِي عِنْدَ بَابِكَ يَا إِلَهِي دَعْوَةٌ
فِيهَا رَجَاءُ الْعُمْرِ جَاءَ مُجَسَّدَا
Eo am-baravaranao, ry Andriamanitro, misy ny fitalahoako
Izay nandraisan’ny fanantenan’ny androm-piainako endrika
أَنْتَ الَّذِي مَا خَابَ عِنْدَكَ سَائِلٌ
أَيَكُونُ بَابُكَ دُونَ سُؤْلِي مُؤْصَدَا
Ianao Ilay tsy mandiso fanantenana izay mitalaho Aminao
Moa ve hirindrina eo anoloan’ny fangatahako ny varavaranao?
فَبِفَضْلِكَ اللَّهُمَّ عِشْتُ مُوَحِّدا
أَيُرَدُّ عِنْدَكَ مَنْ أَتَاكَ مُوَحِّدَا
Noho ny fahasoavanao, ry Allah, no niainako tam-pinoana ny maha-Tokana Anao
Moa ve holavina izay manatona Anao sady manaiky ny maha-Tokana Anao?
سُؤْلِي كَذَاتِكَ وَاحِدٌ فَبِحَقِّهَا
لَوْ لَحْظَةً دَعْنِي أُشَاهِدَ أَحْمَدَا
Tokana ny fangatahako toy ny maha-Tokana ny Tenanao; koa noho izany maha-Tokana izany
Avelao aho, na dia indray mipy maso aza, hibanjina an’i Ahmad