يَا أَجْمَلَ الْأَنْبِيَاء
Oh Most Beautiful of Prophets
Mg
Mg
يَا أَجْمَلَ الْأَنْبِيَاء
يَا أَكْمَلَ الْأَصْفِيَاء
Ry kanto indrindra amin’ireo mpaminany
Ry tonga lafatra indrindra amin’ireo voafidy
يَا خَاتَمَ الرُّسْلِ مَا
أَحْلَاكَ فِي قَلْبِي
Ry Kasehin’ireo Mpitondra hafatra
Akory ny hamizanao ao am-poko!
يَا ذَا الَّذِي نُسْخَةُ
الْأَكْوَانِ فِيْكَ مَطْوِيَّ
Ry ianao izay ao anatinao
No amonosana sy itahirizana ny dikan’ny voary rehetra
عَطِيَّةٌ أَزَلِيَّة
Fanomezana mandrakizay sy tsy misy fiandohana
أَنْتَ الَّذِي أُعْطِيتَ
الشَّفَاعَةَ الْوَافِيَّة
Ianao no ilay nomena
Ny fanelanelanana feno sy tanteraka
وَ الْخَلْقُ حِينَئِذٍ
يَلْتَمِسُونَ الْأَنْبِيَاءْ
Ary ny voary tamin’izay fotoana izay
Dia hitady ny fanampian’ireo mpaminany
ثُمَّ يُقَالُ لِلْأَنَامْ
قَدْ نِلْتُمُ الْأُمْنِيَّة
Avy eo dia holazaina amin’ny olombelona
“Efa azonareo ny fanirianareo—
أَلَا اقْصِدُوْا مُحَمَّدًا
بَابَ الْإِلَهِ الْعَالِيَ
Koa manatona an’i Muhammad
Ny Vavahadin’ilay Tompo Avo Indrindra.”
آيَاتُهُ شَافِيَة
Ny famantarana avy aminy dia fanasitranana
وَهُوَ الْمُعَدُّ لَهَا
وَ ذُوَ الْثَنَاءِ الْوَافِيَ
Ary izy no voavoatra ho amin’izany
Sady izy no fiderana tonga lafatra
ثُمَّ يُنَادِي سَاجِدًا
يَا رَبِّ جُدْ رَاضِيَـا
Avy eo izy dia hiantso eo am-piondrehana
“Ry Tompoko, omeo ary mitoria fahafaham-po!”
يُنَادِي اشْفَعْ يَا حَبِيْبِ
يَا صَفْوَةَ الْأَصْفِيَاءْ
Hisy hiantso hoe: “Manelanelana ry Malala!
Ry fara tampon’ny fahadiovana amin’ireo voafidy,
وَسَلْ تُعْطَى مَا تَرُوْم
وَلَا تَدَعْ عَاصِيَا
Mangataha dia homena izay tadiavinao
Ary aza avela hisy mpanota na dia iray aza.”
يَا صَفْوَةَ الْأَصْفِيَاءْ
Ry fara tampon’ny fahadiovana amin’ireo voafidy
صَلُّوْا عَلَى مَنْ عَلَا
فَوْقَ السَّمَا رَاقِيَا
Manolora saotra ho an’ilay niakatra
Ambony dia ambony mihoatra ny lanitra,
هذَا حَبِيْبٌ غَدًا
عَنَّا العَنَـا مَـاحِيَا
Ity no ilay Malala izay rahampitso
Hamafa ny fahoriantsika rehetra
يَا رَبَّنَا عَطَّفْ عَلَيْنَا
قَلْبَهُ الزَّاكِيَا
Ry Tomponay, ampitodihina aminay
Ny fangorahan’ny fony madio,
وَاخْتِمْ لَنَا خِتَامَ مِسْكٍ
يَا مُجِيْبَ الدَّاعِيَا
Ary farano amin’ny hanitry ny moska ny fiainanay
Ry ilay mamaly ny mpangataka,
بِالْأَسْرَارِ الذَّاتِـيـــة
Amin’ny alalan’ny tsiambaratelon’ny maha-Izy Azy