هَذَا الْمَقَامُ الَّذِي لَاذَتْ بِهِ الْأُمَمُ
Ity no toerana izay nialofan'ireo firenena.
Mg
هَذَا الْمَقَامُ الَّذِي لَاذَتْ بِهِ الْأُمَمُ
وَأَذْعَنَتْ لِعُلَاهُ الْعُرْبُ وَالْعَجَمُ
Izao no toerana masina nialofan’ireo firenena
ary nilefitra tamin’ny fahamboniany ny Arabo sy ny vahiny
هَذَا مَقَامُ رَسُولِ اللَّهْ أَكْرَمُ مَنْ
جَاءَتْهُ مِنْ رَبِّهِ الْأَحْكَامُ وَالْحِكَمُ
Izao no toeran’ny Irak’Andriamanitra, ilay be voninahitra indrindra
izay nandraisany ny didy sy ny fahendrena avy amin’ny Tompony
هَذَا مُحَمَّدُ الْهَادِي الَّذِي مُحِيَتْ
عَنَّا بِنُورِ هُدَاهُ الْظُّلْمُ وَ الْظُّلَمُ
Izao no Muhammad ilay Mpitarika, izay nahafoana
ny tsy rariny sy ny haizina tamintsika tamin’ny hazavan’ny fitarihany
هَذَا الَّذِي قَدْ سَمَا فَوْقَ الْسَّمَا
إِلَى مَقَامِ عِزٍّ تَنَاهَتْ دُونَهُ الْأُمَمُ
Izao no ilay nisandratra ho ambonin’ny lanitra
ho amin’ny toeran’ny voninahitra izay tsy takatry ny firenena hafa
يَا سَيِّدِي يَا رَسُولَ اللَّهْ يَا أَمَلِي
يَا مَنْ أَلُوذُ بِهِ إِنْ زَلَّتِ الْقَدَمُ
Ry tompoko, ry Irak’Andriamanitra, ry fanantenako
ry ilay ialofako raha sanatria misolifatra ny tongotra
بِكَ اهْتَدَيْتُ إِلَى الْإِيمَانِ فَاتَّصَلَتْ
بِذَاكَ عِنْدِي مِنْ أَفْضَالِكَ الْنِّعَمُ
Tamin’ny alalanao no nahitako ny lalan’ny finoana
ka nifandray tamiko tamin’izany ny soa avy amin’ny fahasoavanao
صَلَّى عَلَيْكَ إِلَهُ الْخَلْقِ مَا سَجَعَتْ
وَرْقٌ وَمَا هَطَلَتْ مِنْ سُحْبِهَا دِيَمُ
Hitahy anao anie ny Andriamanitry ny voary, raha mbola mikalo
ny voromailala ary milatsaka ny ranonorana avy amin’ny rahona