بَادِرْ لَقَدْ فَاتَتْكَ الْغَنَائِمْ
Maika! Efa nandalo anao ny babo.
Mg
Mg
بَادِرْ لَقَدْ فَاتَتْكَ الْغَنَائِمْ
تَقَاسَمُوهَا وَأَنْتَ نَائِمْ
Faingàna! Fa efa nilaozan'ny babo ianao,
Nozarain’izy ireo izany tamin’ianao mbola natory
وَلَوْ رَأَيْتَ الَّذِينَ فَازُوا
نُحْتَ كَمَا نَاحَتِ الْحَمَائِمْ
Raha nahita ireo nahazo ny loka ianao,
Dia ho nisaona tahaka ny fitomanin’ny domohina
إِنْ رُمْتَ أَلَّا تَكُونَ نَادِمْ
قُمْ لِحَبِيبِ الْقُلُوبِ لَازِمْ
Raha tianao ny tsy hanandrana nenina na oviana na oviana,
Mitsangàna ka mifikira amin’ny Malalan’ny fo
وَلَازِمِ الْبَابَ يَا مُعْنَّى
إِنَّ الْسَّعِيدَ الَّذِي يُلَازِمْ
Mifikira mafy amin’ny Varavarana, ry fanahy ory,
Fa ny tena sambatra dia ilay mikiry foana
مَنْ لَازِمَ الْبَابَ نَالَ قُرْبا
وَفَازَ بِالْأَجْرِ وَالْغَنَائِمْ
Izay mifikitra amin’ny Varavarana dia mahazo fanakekezana,
Ary mahazo ny valim-pitia fara-tampony sy ny babo
وَلَا تَنَمْ سَاعَةَ الْتَّجَلِّي
فَلَيْسَ يَحْظَى بِالْأَجْرِ نَائِمْ
Aza matory amin’ny ora fisehoan’ny Voninahitra,
Fa ny mpatory dia tsy hahazo ny valim-pitia na oviana na oviana
قَدْ جَرَحَتْ قَلْبِيَ الْخَطَايَا
وَلَسْتُ أَلْقَى لَهَا مَرَاهِمْ
Nandratra mafy ny foko ny fahotana,
Ary tsy mahita fanafody hanasitranana azy aho
سِوَى الْرِّضَا مِنْكَ يَا إِلَهِي
يَا وَاسِعَ الْجُودِ وَالْمَكَارِمْ
Afa-tsy ny fankasitrahanao, ry Tompoko,
Ry Ilay be fahalalahan-tanana sy be fahasoavana tsy hita fetra
وَقَدْ تَوَسَّلْنَا يَا إِلَهِي
بِسَيِّدِ الْعَرَبِ وَالْأَعَاجِمْ
Ary nitady ny ho akaiky Anao izahay, ry Tompoko,
Tamin’ny alalan’ny Tompon’ny Arabo sy ny tsy Arabo
نَبِيِّنَا الْمُصْطَفَى الْتِّهَامِي
مَنْ جَاءَ لِلْأَنْبِيَاءِ خَاتَمْ
Ny Mpaminaninay, ilay Voafidy, ilay Tihami,
Ilay tonga ho Tombo-kasen’ny Mpaminany rehetra